Actualités

Ambany tetezan’Ampasika Lasa fanariam-pakon’ny renivohitra


  • Alarobia 07 Martsa 2018

Manomboka miparitaka indray ny fako amin’izao. Tsy eto an-drenivohitra ihany fa voakasika ihany koa ny any amin’ny kaominina ambanivohitra toa an’i Bemasoandro Itaosy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 Ao ambany tetezan’Ampasika no tena ahitana izany, izay marihina fa mivangongo tokoa nefa tsy lavitra eo ireo mpivaro-kena marobe sy legioma ary sakafo maro isan-tsokajiny mamatsy  ireo mponina eny amin’ny manodidina. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’i Bemasoandro Atoa Rakotomandimby Jean anefa dia tsy avy ao amin’ny kaominina iadidiany ireo fako ireo. Efa manana toerana fanariam-pako mantsy izy ireo toy ny ao afovoan’ny tanànan’Ambohijafy sy ny ao andrefan’i Masoandro ka efa napetraka amin’ny fokontany tsirairay avy ny fandaminana azy. Nambarany fa efa eo an-dalam-panalana ireo fako mivangongo ao ambany tetezan’Ampasika izy ireo amin’izao, taomina amin’ny alalan’ny saretikely hafindra any amin’ny fanariam-pakon’izy ireo. Eo an-danin’izay dia eo an-dalam-piandrasana ireo kamiao avy any an-drenivohitra mangalatra manary fako eny an-toerana ihany koa izy ireo, isan’andro isaky ny amin’ny 1 ora maraina. Tsiahivina moa fa ankoatra ny aretina pesta izay azo avy amin’ny fiparitahan’ny loto tahaka izao dia mitondra areti-maso, aretin-kibo ary gripa mahery ihany koa ny fako ka ilana fitandremana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanajana ny fahadiovana ka tokony hofoanana amin’izay ilay fahazarana manipitsipy ny maloto eny rehetra eny.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT