Actualités

Ambanja Zandary nandoro olona velona


  • Talata 26 Oktobra 2010

Ny alakamisy 14 oktobra lasa iny no nitrangan’ity habibiana mahatsiravina ity, ary miteraka resabe ao Ambanja ao amin’izao fotoana izao. Araka ny fantatra dia nisy rangahy iray, nanana disadisa tamin’ny reniny tany amin’ny tanàna akaikin’Antranokarany, 15km miala an’Ambanja, amin’ny lalam-pirenena faha-6 iny.

Nosamborin’ny olona izy io, ary natolotr’izy ireo ireny zandary mpandrindra ny fifamoivoizana ireny, teo amin’io toerana Antranokarany io. Nopetahana rojovy ilay rangahy, ary najanona teo, fa hoe miandry ny maraina vao entina hihazo an’Ambanja hatao famotorana. Tsy fantatra anefa izay zava-tranga fa tampoka teo dia norarahan’i E., zandary iray tamin’ireo nanao P.R teo solitany ilay ranamana ary notselarany “briquet” ary dia nirehitra. Nifamonjen’ireo zandary hafa notobasana rano izy ary dia mba nalaky maty ny afo, saingy may tanteraka nanomboka teo amin’ny tendany, mahazo ny tratrany, mahazo ny filahiany, mipaka hatreny amin’ny lohalika araka ny loharanom-baovao akaiky ny niharam-boina.

Novahana ny rojovy teny aminy, rehefa izay dia nihazakazaka nanavo-tena nihazo tao Antanimena, tanàna sahabo ho 500 metatra miala io toerana nanaovan’ny zandary PR io. Antra azy ny vehivavy ka nanampy nikopaka tamin’ny sahafa mba hampangatsiatsiaka angamba. Rehefa izay dia tonga koa ny zandary nitondra azy maika nihazo ny klinikan-dry frera ao Ambanja hotsaboina. Araka ny fantatra dia niaiky ny hadisoany i E. ary nanao taratasy fa hiantoka ny lany amin’ny fitsaboana ity lehilahy ity. Nitsimbadika anefa ny rasa nanomboka ny alahady 24 oktobra teo. Araka ny fantatra mantsy dia hoe nisy taratasy izany milaza fa mangataka hivoaka ny klinika ilay marary, izay lavin’ireto farany ny fahamarinan’izany. Na izany aza dia nanao taratasy rehetra namoahana azy ny toeram-pitsaboana. Koa satria mbola marary ilay niharam-boina, mbola tantanana raha mitsangana, dia voatery nafindra amin’ny hopitalim-panjakana izy amin’izao fotoana.

Ny fanotaniana moa eto dia ny hoe inona no andraikitra raisin’ny lehiben’ny zandary amin’ny trangan-javatra toy itony  ?
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT