Nisahotaka ny olona tao Ambanja ny faran’ny herinandro teo, nitohy omaly tontolo andro. Niely mantsy ny feo fa niharan’ny herisetra, voafira famaky tany an-tanimboliny any amin’ny tanàna atao hoe Tanambao Ankinakinaka kaominina ambanivohitra Maherivaratra amin’ny lalana mihazo an’Ambilobe, ny depioten’i Sambava teo aloha, Ali Sarety, voafidy avy amin’ny lisitra Tiako I Madagasikara. Vetivety dia niely tao an-tanàna ny feo. Hatrany Antsiranana sy Nosy Be ary Sambava no nandre ity vaovao ity. Koa satria tati-tsofina ilay izy dia tonga hatrany amin’ny filazana fa namoy ny ainy mihitsy ity depiote taloha ity. Teo no nampikoropaka ny olona. Raikitra ny fitadiavana ity mpanao politika ity. Tao ireo nandeha tany an-tanimboly, araka ny voalaza, saingy tsy nanamarika na inona na inona. Ny sasany indray nihazo avy hatrany ny toeram-ponenany. Tao an-tranony ao Ambanja tsy nanampo na inona na inona i Ali Sarety. Vao tonga omaly maraina avy any amin’ny “concession”-ny tokoa izy. Gaga ny tenany tamin’ny firodorodon’ny olona tonga tao aminy sy ny feo ratsy niely momba azy. Eo no mipetraka ny fanontanian’ny maro. Iza no ao ambadik’ity fanelezana tsaho ity, ary inona no tanjon’izy ireo amin’izany ? Ho hita eo ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.