Fiara minibus marika “Volkswagen transporter” iray no nirehitra teny ampandehanana teny amin’ny route circulaire Ambanidia tsy lavitra ny Foibe Taosaritanin’i Madagasikara (FTM) omaly antoandro.
Tampoka ny firehetana, ary vetivety dia nananika ny fiara manontolo ny afo. Nafana rahateo ny andro, izay nanamora ny fihanahan’ny afo niampy ny solika tao anaty fiara. Ny mponina teny manodidina no nifanome tanana namono ny afo, mandra-pahatonga ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalana. May tamin’ny ampahany maro ilay fiara, tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra tamin’ireo tao anatiny, izay tafavoaka ara-potoana. Nitohana nandritra ny fotoana lavalava ny fifamoivoizana tamin’iny faritra iny vokatr’io loza io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.