Mandry tsy lavo loha ny mponina amin’ny fokontany roa, Mandikanamana sy Ankazobe, kaominina Alasora noho ny trakta aelin’ny jiolahy eny an-tanàna fa ho avy hanafika tsy ho ela izy ireo.
Mivarahontsana sy tena mihoron-koditra mihitsy ny mponina eny an-toerana ka efa maro ireo tsy natory an-trano intsony noho ny tahotra. Izay nanely sy nametaka ny trakta aloha hatreto dia tsy hita sady tsy misy mahafantatra raha ny famotopotorana natao teny an-toerana. Nisy filazana kosa anefa azo fa efa nitrangana fanafihana tokoa tamin’ny iray tamin’ireo fokontany ireo tamin’ny taon-dasa ka olona mpanao dabokandro no niharam-boina tamin’izany. Ao amin’ity kaominina ity moa dia saika ahenoana fanafihan-jiolahy foana saika isan-taony, raha ny vaovao voaray, ary miaro daroka sy famonoana amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika mihitsy izany matetika. Inoana fa tsy hiraviravy tanana amin’ny fijerena akaiky izao tragan-javatra mampihoron-koditra izao ny tompon’andraikitra mahefa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.