Actualités

Alaotra Mangoro Tonga ny tambin-karaman’ireo sefo fokontany sy ny lefiny


  • Alakamisy 30 Aprily 2015

Ny alatsinainy folakandro teo no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny tambin-karaman’ny sefo fokontany sy ny lefiny ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro. Ny Lehiben’ny faritra Ranaivonirina Jean Yves no nanolotra izany amin’ny anaran’ny fitondrana foibe. Ny karama volana jona hatramin’ny volana aogositra tamin’ny taon-dasa io natolotra io.

 


    

Nidera ny herimpo nananan’ny sefo fokontany ny lehiben’ny faritra, izay manana andraikitra makadiry kanefa tsy nitaraina na nitokona nanoloana ny tsy fahazoana ny herimpony fa nanaja hatrany ny asany. Hiezaka ny tenako ny hanafainganana ny fandoavana ireo ambiny sy ny mba hampiakarana azy io hifanaraka amin’ny andraikitra raisinareo, hoy ny lehiben’ny faritra. Nentaniny koa izy ireo ho vonona amin’ny asa fampandrosoana, indrindra ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.


NiryA

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT