Actualités

Alaotra Mangoro SEREMPAM : mitaky vidim-bary 600 Ar ny farany ambany


  • Alarobia 26 Mey 2010

“Takianay ny hametrahana ny vidim-bary akotry ho 600 Ar ny farany ambany”, hoy Randrianasolo Solofomandimby, filohan’ny Sendika Rezionalin’ny mpamboly Alaotra Mangoro (SEREMPAM) raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo, herinandro lasa izay.

Ny alarobia 26 mey ity no voatondro hanambaran’izy ireo izao fanapahan-kevitra izao amin’ireo mpandraharaha any Alaotra. Ireo fikambanana tantsaha ao anatin’ny kaoperativa sy ny federasiona no mivondrona ao anatin’ity SEREMPAM ity ka mametraka ny tanjona ho fanomezan-danja ny mpamboly eo amin’ny famerana ny vidim-bokatra. Misy ny mizàna tsindrin’ila, hoy izy ka tsy maintsy mitolona ny SEREMPAM. Ny fampahafantarana sy fanabeazana ny zon’ny tantsaha no endrika hitondrana ny tolona. Zavatra telo lehibe no hotratrarina amin’izao tolona izao, hoy Randrianasolo Solofomandimby. Eo ny fametrahana rafitra matanjaka, fanesorana ny endriky ny tsindry hazo lena ary ny fampivondronana ho feo iray ny mpamboly. Ny fihafiana sy ny fifanomezan-tanana ary ny firaisankina no fitaovana hoenti-miasa, hoy izy namarana ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT