Actualités

Alain Ramaroson sy Jean Nirina Ho afa-bela sa hilentika ?


  • Alatsinainy 24 Jolay 2017

Hitodika etsy amin'ny fitsarana Anosy ny mason'ny rehetra rahampitso talata 25 jolay.

Raharaha 2 be mpanaraka eto amin'ny firenena mantsy no hivoaka dia ny momba ny filohan'ny Antoko Masters Alain Ramaroson sy ny mahakasika ny filohan'ny Fikambanana Hafari Malagasy Jean Nirina Rafanomezantsoa. Tsiahivina fa efa nanomboka ny 3 aogositra 2016 no nigadra teny Antanimora i Alain Ramaroson noho ny resaka ady tany hifanolanany amin'ny fianakaviany. Ny herinandro lasa teo izy no niverina niakatra fitsarana, ka nandritra izany no mbola nitakian'ny mpitory azy onitra 2 miliara ariary ho sandan'ny resaka hosoka nataony tamin'io raharahan-tany io. Mandeha ihany koa anefa ny resaka fa tsindry politika mihitsy no handetehana azy, ka tsy hay na ho afaka ny tenany na hanohy ny figadrana. Mikasika an'i Jean Nirina Rafanomezantsoa kosa dia efa ela ihany koa ny tenany no notazonina am-ponja noho ny raharaham-pitoriana maro. Ny 11 novambra 2016 no nisy didim-pitsarana azy voalohany ka nanamelohana azy higadra herintaona an-tranomaizina. Nisy ihany koa ny sazy mihatra 6 volana nivoaka ny 28 febroary lasa teo noho ny resaka herisetra sy fampihorohoroana, araka ny voalazan'ny fitoriana. Nahazoany fahafahana vonjimaika kosa ny momba ilay hoe fitazonana an-keriny sy fanolanana. Toa nanao tohivakana ny fanenjehana sy fandetehana azy, ka tsy hay indray izay haloaky ny fitsarana rahampitso.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT