Miitatra toy ny sima misioka ny raharaham-pitsarana an’i Alain Ramaroson.
Nahemotra ho amin’ny 18 jolay ny fitsarana azy taorian’ny niakarany teny amin’ny fitsarana Anosy omaly. Raharaha 2 dia resaka tany eny Andoharanofotsy sy Ambohimangakely no hanenjehana azy, ka ny raharaha tany eny Ambohimangakely no nandeha teny amin’ny fitsarana omaly. Tsy tomombana ny fitsarana satria betsaka tamin’ireo voapanga no tsy nahazo taratasy fiantsoana vokatry ny fitokonan’ny mpiraki-draharaha ny herinandro lasa teo, raha ny fanazavan’ny mpisolovava azy. Tsy azon’ny mpanao gazety natao ihany koa ny nanaraka ny fihainoana azy fa nihidy tao anaty efitrano kanefa ny maraina no efa nigadona teny an-toerana ity mpanao politika, filohan’ny Antoko Masters ity. Voalaza fa nangataka fahafahana vonjimaika ny mpisolovava saingy nolavina, ka naverina any am-ponja indray ny tenany miandry io fotoana io. Toa tsy mahazo rariny hatrany ity mpanao politika ity. Tsy tanteraka ny fitsarana azy fa mihemotra lava, kanefa tsy mahazo fahafahana vonjimaika ihany koa. Sasatry ny havezivezy tahaka ny firaka atakalo eny amin’ny fitsarana. Porofon’ny handetehana azy tanteraka izany sa mila miaritra kely fa hahazo fahafahana atsy ho atsy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.