Sazy mihatra 30 volana an-tranomaizina miampy onitra 200 tapitrisa ariary no azon’i Alain Ramaroson momba ny raharahan-tany teny Ambohimangakely, araka ny didim-pitsarana navoakan’ny tribonaly Anosy tao amin’ny efitrano faharoa omaly 8 aogositra 2017.
Resaka hosoka sy fampiasana hosoka tamin’ny fakana sy fivarotana tany no nitorian’ny fianakaviany azy, ary efa ny 3 aogositra 2016 no nampidirana am-ponja vonjimaika ity mpanao politika sady tompon’andraikitra ambony tamin’ny andron’ny tetezamita ity. Tsiahivina fa efa nohelohina higadra 1 taona an-tranomaizina sy onitra 950 tapitrisa ariary ny tenany tamin'ny raharaha ady tany teny Andoharanofotsy. Raha hatambatra izany ny onitra takiana aminy amin’ny raharaha roa nanenjehana azy dia mahatratra hatrany amin’ny 1050 tapitrisa na 1,05 miliara ariary. Mbola hamita sazy eny am-ponja mandritra ny 18 volana na herintaona sy tapany izy. Arakaraka ny mety ho fampiakarana fitsarana ambony sisa no mety hihenan’ny saziny, raha hisy izany. Ankoatra izay, dia nohelohin’ny fitsarana higadra sazy mihatra 60 volana an-tranomaizina sy mandoa onitra 60 tapitrisa ariary ihany koa ilay sekretera jeneralin'ny Kaomin'i Behenjy, izay voarohirohy tamin'ny fanaovana taratasy hosoka niaraka tamin'i Alain Ramaroson.
Valifaty politika?
Tsy ho hita tabilao ao anatin’ny raharaha politika mety haresaka amin’ny taona 2018 izany i Alain Ramaroson, raha tsy misy ny mety ho fiovan-javatra tsy hampoizina. Henjana ny saziny, izay maro no mihevitra fa misy ambadika politika. Efa niaraha-nahita ny tsy fifankahazoana teo aminy sy ny fitondrana Rajaonarimampianina, ka ny resaka mandeha dia ao ambadik’izao fandetehana azy izao mihitsy ny fanjakana HVM. Tsy sanatria manenji-dresy na mamoha fota-mandry, fa niaraha-nahita ihany koa ny zavatra nafitsok’ity mpanao politika ity nandritra ireny raharaha 2009 ireny nitohy tamin’ny andron’ny tetezamita. Isan’ny olona nirehareha fatratra tamin’ny fahefana nananany i Alain Ramaroson, ary nanangam-pahavalo olona maro teto amin’ny firenena mihitsy. Nitsimbadika tanteraka anefa ny tantara, ka zary olon-dresy sy sakaizan’ny fonja sisa ny tenany, izay efa mandroso fahanterana ihany ankehitriny. Anatra ho an’ny mpanao politika eto amin’ny firenena ny zava-misy hoe mitsimbadikambadika, toy ny kodiaran-tsarety ihany io fahefana io, ka aleo tsy mirehareha sy manangam-pahavalo be fahatany. Na izany na tsy izany, dia tsy vahaolana mihitsy ny fifamaliana faty lava eto amin’ny firenena, raha tena mikendry ny ho avin’ny firenena tokoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.