Actualités

Alain Ramaroson Hiakatra fitsarana indray anio


  • Talata 01 Aogositra 2017

Hiverina hiakatra fitsarana eny Anosy ao amin’ny Efitrano faha-2 indray i Alain Ramaroson anio.

  Ny raharahan-tany eny Ambohimangakely no hitsarana azy, raha toa ka efa nahazoany sazy herintaona an-tranomaizina sy onitra 950 tapitrisa ariary ny raharahan-tany teny Andoharanofotsy, araka ny didy nivoaka ny 25 jolay lasa teo. Tsy nahafa-po azy sy ny mpisolovava anefa izany, ka nanao fampakarana ny raharaha any amin’ny fitsarana ambony izy ireo omaly. Nametraka fitoriana mikasika ny raharaha tany eny Ambohimangakely ihany koa i Alain Ramaroson ny andron’ny omaly noho izy milaza ho isan’ny lasibatry ny resaka hosoka ihany koa. Sady mpitory izany izy anio no toriana amin’ity raharaha ity. Miankina betsaka amin’izay haloaky ny fitsarana anio no hivoahany ny fonja na tsia satria ho feno herintaona katroka ny alakaminy 3 aogositra izao ny nampidirana am-ponja azy. Raha mahazo fahafahana vonjimaika izy aorian’ny fitsarana anio, dia afaka ny hivoaka ny fonja amin’ny alakamisy izao. Ny 8 aogositra kosa no voalaza fa ho fantatra ny valin’ny fampiakarana natao momba ny raharaha ady tany teny Andoharanofotsy, izay efa nisian’ny didim-pitsarana nivoaka. Fanontaniana mipetraka izany ny hoe ho afa-bela amin’ny figadrana amin’izay ve ny tenany sa mbola hilatsaka indray ny sazy henjana avy amin’ny fitsarana? Raha ny resaka nivoaka hatry ny ela kosa, dia voalaza fa misy ambadika politika ny fanenjehana sy ny fandetehana ity tompon’andraikitra ambony tamin’ny tetezamita ity. Adinon’ireo niara-dàlana taminy tamin’ireny raharaha 2009 ireny kosa izy ankehitriny satria toa tsy miaraka amin’ny tsy afaka izy ireny.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT