Actualités

Alain Ramaroson Hanao taom-baovao fanindroany eny Antanimora


  • Zoma 29 Desambra 2017

Tavela ao Antanimora i Alain Ramaroson. Na ireo mpanao politika niara-dia taminy aza mety efa nanadino ny fisiany any am-ponja hatramin’ny fiandohan’ny volana aogositra 2016 nitazomana azy ao noho ny hosoka sy fampiasana hosoka amina taratasin-tany eny Andoharanofotsy sy Ambohimangakely.


Ny fianakaviany mihitsy no mpitory tamin’itsy voalohany, ary fianakaviana hafa no mpitory amin’ny faharoa. Nivoaka tamin’ny aprily 2017 ny didy. 30 volana an-tranomaizina miampy fandoavana onitra hatrany amin’ny 200 tapitrisa no didy mihatra amin’i Alain Ramaroson navoakan’ny fitsarana. Nolavin’ny fitsarana hatrany ireo fangatahana fahafahana vonjimaika nataony, dia taraiky ao Antanimora ity mpanao politika, filoha mpanorina ny antoko Masters ity. Fanindroany amin’ity izy no hanao taom-baovao any am-ponja.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT