Amin’ny talata 8 aogositra izao indray izany no voambaran’ny avy eo anivon’ny fampanoavana fa hivoahan’ny didim-pitsarana
mikasika ilay raharaha ady tany eny Ambohimangakely izay maha voasaringotra ny filohan’ny antoko Masters, Alain Ramaroson. Omaly no niverina niakatra fitsarana, tetsy Anosy, indray moa ity farany ary naharitraritra ihany ny fotoam-pitsarana izay efa nanomboka tany amin’ny 9 ora maraina tany ho any. Hatreto dia tsy nahazo ny rariny mihitsy tamin’ireo raharaha rehetra nitoriana azy izany ity politika nandalo tantaram-pirenena maro ity tao anatin’ireo raharaha roa natrehany na ilay raharaha Andoharanofotsy io ary efa mandindona fidobohana toy izany ihany koa ity raharaha Ambohimangakely ity. Marihina moa fa sady nametraka fitoriana ho tratrin’ny hosoka ihany koa ny tenany tamin’ity raharaha farany ity no mbola notorian’ny fianakaviany ho nanao hosoka. Nangataka fahafahana vonjimaika moa ny tenany saingy naverina eny Antanimora ihany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.