Actualités

Alain Ramaroson Alentika mihitsy ve ?


  • Alarobia 19 Jolay 2017

Nolavina indray ny fahafahana vonjimaika nangatahin’ny filohan’ny antoko politika Masters, Alain Ramaroson, izay notorian’ny fianakaviany noho ny raharaha fanaovana hosoka taratasin-tany eny Andoharanofotsy sy Ambohimangakely, fangatahana fahadimy io.

Omaly no tontosa ny fitsarana iry raharaha voalohany ary, araka ny tapaky ny fitsarana, dia ny 25 jolay izao no handrenesana ny didy mikasika azy. Ny voalohan’ny volana aogositra izao kosa no handrasana ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha faharoa. Nangataka onitra mitentina 2 miliara ariary ihany koa ny mpitory. Etsy an-kilany, nanamafy ny mpisolovavan’ny voapanga fa tsy mitombina ny fitoriana napetraka satria tsy fifanandrifian-javatra, hoy izy, ny fahafatesan’ireo tompon’andraikitra rehetra voakasika tao anatin’ny raharaha. Anisan’ny notononiny ny vadintany nanao ny raharaha sy ny mpampanoa lalàna nandrakitra an-tsoratra izany.Tsy mety mahita mangirana izany aloha hatreto i Alain Ramaroson fa dia miverina eny Antanimora, manombatombana ny mpanara-baovao fa tena ho sarotra ho an’ity lehiben’ny antoko Masters ity no ho tafavoaka amin’izao raharaham-pitsarana izao ary tahaka ny efa fantatra ny didy hivoaka hanasazy azy.Tsy vitsy koa anefa ireo mieritreritra fa sao lahy ka misy ambadika goavana ity raharaha ity fa tsy resaka fanaovana hosoka fotsiny. Re mantsy fa efa hatry ny ela no tsy dia nifanara-tsaina tamin’ireo fianakaviana ingahy Alain Ramaroson noho izy nambara fa nandany ny volan-dray aman-dreniny nanaovana politika.Etsy ankilan’izay misimisy ihany koa ireo olona nitondra faisana noho ny ambara fa fanaparam-pahefana nataony fony izy filoha lefitry ny CST tamin’ny fitondrana tetezamita.Koa raha izany rehetra izany no heverina dia mafonjafonja ihany ny zavatra manodidina ny filohan’ny Masters, izy rahateo mpanao politika henjakenjam-piteny ka mety tsy mahafaly ny sasany.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT