Actualités

« ALA HONKO MISOMA 2015 » Omena sehatra ny fiarovana ny ala honko ao Boanamary


  • Alatsinainy 01 Jona 2015

Hanomboka ny 19 ka hatramin’ny 20 jona izao ny hetsika ho fanentanana ny olona amin’ny fiarovana ny ala honko ao amin’ny faritra Boeny kaominina Boanamary ny “ala honko misoma”

 

. Mandritra ny hetsika dia omena sehatra ny fiarovana ny ala honko satria dia maro ny tombontsoa azo avy aminy. Ny honko dia anisan’ireo toerana fipetrahan’ireo hazandranomasina toy ny akamba, drakaka, ny tantely, ary azo atao kitay fandrehitra koa izy io. Noho io anefa dia manomboka ho lany tamingana izy io ka izay indrindra no antony nahatonga ireo mponina ao Boanamary nandray an-tanana ny amin’ny fiarovana azy io. Miakina amin’ny fitrandrahana ireo hazandrano ireo no foto-piveloman’izy ireo ka manomboka mihena ny fitrandrahana akamba sy ny drakaka. Mahatratra hatramùin’ny 100 kilao isaky ny maka drakaka sy akamba ireo mpitrandraka teo aloha, amin’izao fotoana izao dia zara raha mahazo 5 kilao izy ireo rehefa tonga ny fotoana fiakaran’ireo hazandrano ireo. Anisan’ny hampahafantarina ao anatin’ny hetsika “ala honko misoma” ny vokatra ara-toe-karena ao Boanamary sy ny mampiavaka ny kaominina amin’ny alalan’ny loabary an-dasy. Hisy koa ny tranoheva entina manentana ireo mpitsidika ny amin’ny fiarovana ny ala honko eto Madagasikara.

 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT