Actualités

Akon’ny Diary 5 taona nanaovana vakodrazana


  • Talata 05 Mey 2015

Mankalaza ny faha-5 taona niorenany ankehitriny ny tarika mpanao vakodrazana Akon’ny Diary avy eny Itaosy ka nosantarina tao amin’ny efitrano malalaka fanaovam-pety ao amin’ny Kaominina izany fankalazana izany tamin’ny zoma 1 mey teo

 

. Nambaran’Atoa Razafindrasata Lanto filoha mpanorina ny tarika fa hoentina indrindra hanomezana lanja ny kolontsaina malagasy izay somary mareforefo ankehitriny ny antony namoronany ny tarika 5 taona lasa izay ka tsy ny hanasongadina ny tarika amin’ny fihazakazahana manao rakikira no mahamaika na dia efa eo am-panomanana ny voalohany amin’izany aza ry zareo fa ny fanandratana avo ny kolontsaina malagasy eo am-panajana ny an’ny hafa ihany koa. Anisan’ny nanampy betsaka tamin’ny famelarana ny ambaindain’ny tarika ny ben’ny tanànan’Itaosy sy ireo mpiara-miasa aminy  ary koa  i Dadagaby teo amin’ny fiangaliana vakodrazana ka tsangambaton’izany faha-5 taona izany ny fahazoan’ny tarika ny toerana fandraisam-peo azy manokana. Ho tsangambaton’ny 5 taona manaraka  kosa ny Ivotoko izay toerana hitahirizana ireo vakoka tsy tontan’ny ela sy ho toerana fampianarana mozika isan-karany, fahaiza-mihira sy mandihy ary fifaneraserana ara-kolontsaina ho an’ny rehetra tsotra izao na dia efa nanomboka nasehon’ny mpitantana notarihan’Atoa Rakotoarisoa Joseph sady mpikambana ao amin’ny tarika ihany koa ny zavatra mety ho hita ao tamin’ny zoma teo.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT