Actualités

Akany fibeazana Nohamafisina ny traikefan’ireo mpanabe


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Nanamafy ny traikefan’ireo mpanabe eny anivon’ny Akany fibeazana ny «Association des Institutions Laďques pour l’Education» nandritra ny roa herinandro.

Nanomboka ny 24 aogositra teo izany ary nifarana omaly 4 septambra 2015. Resy lahatra moa ity fikambanan’ireo sekoly laika manome lanja ny fanabeazana ity fa antoky ny fivelaran’ny isam-batan’olona any aoriana any ny fananana fototra tsara lalim-paka miainga amin’ny fahazazana. Vanim-potoana sarobidy amin’ny fiainan’ny ankizy 3 hatramin’ny 6 taona ny fandalovana amin’ny akany fibeazana na «prescolaire». Tokony hisongadina mandritra io fotoana io tokoa mantsy ireo dingana fivelarana 4 ilain’ny zaza ahafahany miatrika ny fiainana maha olona. Voalohany ny fivelaran’ny vatana miaraka amin’ny hetsika. Faharoa ny fivelaran’ny fisaina sy ny fihetsika. Fahatelo ny fivelaran’ny fitenenana sy ny serasera ary fahefatra farany ny fivelarana maha izy na «personnalité» miaraka amin’ny fiaraha-miaina. Nifantoka tamin’ny famoronana fitaovana 12 vaovao hampiasain’ireo zaza eny amin’ny akany fibeazana, ohatra, ny fampiofanana natrehan’ireo mpanabe miisa 16 mirahavavy ao anatin’ny andiany «Fanamby» tao amin’ny boriborintany faharoa teny Tsiadana. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT