Efa manomboka miditra mian-dalana ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny.
Manomboka miaka-bidy ireo akanjo mafana vokatr’izany ka anisan’ireny ny blouson sy ny akanjo bà. Ho an’ny blouson manokana dia efa tafakatra 100.000 Ar ny vidin’ny iray vaovao eny amin’ireny botika maro isan-karazany eto an-drenivohitra ireny. Manomboka amin’ny 40.000 Ar miady varotra kosa ny eny amin’ny friperie raha 15.000 Ar ny akanjo bà. Na izany aza anefa dia mbola maina ny tsena hatreto, raha araka ny fanazavan’ireo mpivarotra. Ireo mpanontany no betsaka raha oharina amin’ireo tena mividy hoy hatrany izy ireo. Mikasika ny manteaux kosa indray dia samy manana ny vidiny izy ireo. Manomboka amin’ny 20.000 Ar ny an’ny ankizy raha tombanan’ireo mpivarotra 40.000 Ar kosa ny an’ny olon-dehibe na lahy na vavy. Miankina amin’ny vidin’entana hakan’ireo mpivarotra ny valonana friperie iray moa no hanombanany ny vidin’entana ihany koa, raha araka ny fanadihadiana natao hatrany. Marihina fa mbola hitohy anio sy rahampitso ilay herika nitondra hatsiaka be teto an-drenivohitra hatramin’ny omaly zoma, raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Mila miomana amin’ny fitafiana mifandraika amin’izany avokoa araka izany isika rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.