Actualités

AKAMA 67 HA Miisa 11 ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana bakalorea amin’ity taona ity


  • Alarobia 03 Jona 2015

Miisa 11 mianadahy ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana Bakalôrea taona 2015 ho an’ny Akanin’ny Marenina etsy amin’ny 67 ha na ny AKAMA. Ny valo amin’izy ireo dia tovovavy avokoa ka 18 taona no zandriny indrindra raha 24 taona no zokiny indrindra. Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanomanana ny fanadinana

 izy ireo amin’izao fotoana izao raha araka ny fanazavan-dRakotonjanahary Olivier surveillant general ao an-toerana. Anisan’izany ny fanadinana fotsy voalohany nosantarin’izy ireo ny 26 mey lasa teo izay notsindriany manokana fa mbola hiampy in-droa mialohan’ny tena hiatrehan’ny mpianatra ny fanadinana tena izy. Toraka izany koa ny fanadinana fifaninana ara-panatanjahantena izay hataon’ireto mpianatry ny AKAMA ireto toy ny ankizy mpianatra rehetra. Na izany aza dia sokajy A2 avokoa no misy azy 11 mianadahy ireto, fepetra noraisina izay niainga tamin’ny fanabeazana azy nanomboka tao amin’ny taona faha-enina. Herinandro mialohan’ny fanadinana Bakalôrea izy ireo vao hijanona tanteraka amin’ny fianarany raha araka ny fanazavana azo hatrany. Marihina moa fa manana mpandika teny amin’ny alalan’ny tenin’ny Tanana manokana izy ireo mandritra ny fotoam-panadinana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT