Notanterahina nanomboka omaly alarobia 1febroary etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely indray ary hifarana anio ilay Salon de l’orientation et guides des études supérieures andiany faha-11 karakarain’ny AJEEM (Association des Jeunes Enseignants et Etudiants de Madagascar).
Anisan’ny mampiavaka ity salon ity ny fifampizarana traikefa eo amin’ireo sekoly ambony miisa 15 mandray anjara arahin’ny fanampiana ireo mpianatra afa-panadinana Bakalorea tsy afaka tamin’ireo karazana fifaninanana notontosainy. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa hijery akaiky amin’ny fanampiana ireo mpianatra eny anivon’ny CEG sy lycée manomboka izao ny AJEEM. Araka ny fanazavan-dRaharinivo Jen, filoha mpanorina ny AJEEM dia mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra eto amintsika no tsy mahalala akory ny lalan-kalehany na dia efa afa-panadinana Baka aza, toy izany koa ny ray aman-dreniny. Marihina fa anisan’ny mandray anjara ao ny sekoly ES.DES ( Ecole Superieur de Developpement Economique et Social) etsy Ambatomitsangana, izay manofana mpianatra mba hanangana orinasa ho an’ny tenany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.