Actualités

Airtel sy Allianz Hiara-kiasa amin'ny resaka fiantohana


  • Alakamisy 23 Febroary 2017

Ny volana novambra taona 2014 no nampahafantarina voalohany teto amintsika ny fiantohana « Antoka », vokatry ny fiaraha-miasan’ny orinasam-pifandraisana Airtel sy ny Allianz Madagascar.

 Malagasy ana hetsiny maro no ezahina hahazo tombontsoa ao. Miankina amin’ny fandaniana ataony an-telefaonina anefa izany. Raisina an-tanana amin’ny alalan’io fiantohana antoka io avokoa mantsy ny fandoavana ny saram-pitsaboan-tenan’ilay olona raha sanatria tojo aretina izy na trangam-pahafatesana na loza miseho andavanandro. Antony nanaovana ny hetsika ny fahafantarana fa betsaka amin’ireo mpiara-belona no tsy mba manana fiantohana rehefa misy zava-mitranga. Ho an’ireo mpanampy an-trano dia vitsiana amin’izy ireo no misy miantoka rehefa tra-doza fa tsy maintsy izy ireny ihany no miantoka ny tenany toy ny takaitra ateraky ny loza voajanahary. Fepetra takiana kosa ny fandaniana fahana 3.500 Ar isam-bolana raha kely indrindra. Tafakatra hatrany amin’ny 500.000 Ar ny fiantohana ny olona iray raha sanatria ka tra-doza izy ary mahatratra 1.000.000 Ar ho an’ny trangam-pahafatesana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT