Nankasitraka manokana ireo mpiasa ao aminy ny orinasam-pifandraisana Airtel. Ireo mpivarotra no tena niantefan'izany manokana notolorana écran plat, môtô scooter... noho ny hatsaran'ny asa vitany tamin'iny taona nivalona 2017 lasa iny.
Nambaran'ny tale jeneraliny Atoa Maixent Bekangba fa tanjon'izy ireo ny hanatsara hatrany ny fifandraisana eo amin'ireo fianakaviamben'ny Airtel Madagasikara, indrindra fa eo amin'ireo mpanjifa. Tsiahivina moa fa mpiasa 50 isam-bolana manerana ireo faritra hivarotan'ny Airtel ny vokatra vokariny no mahazo loka isam-bolana manerana ny Nosy. Anisan'ireny ny Airtel money. Tsiahivina fa Rtoa Tsihoarana Hantaniriana no nahazo ny loka goavana indrindra dia ny scooter. Ravololomihaja Marie Sandy no nahazo ny vata fahitalavitra écran plat. Lasan-dRavololoharinoro kosa ny finday Alcatel pixi. Loka goavana hozaraina ho azy ireo amin'ny manaraka ny fiara tsara tarehy izay efa handrandrain'ny maro ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.