Actualités

Air Madagascar Novonoina fa tsy maty


  • Talata 18 Aogositra 2015

Mitsipozipozy fa tsy maty. Izay no mahafehy ny manjo ny Air Madagascar amin’izao.

 


Betsaka no efa naminavina fa dia hanara-dia ireo kaompaniam-pitaterana tany Afrika efa nikatona ny Air Madagascar. Nihazakazahana mihitsy ny famotehana azy hatramin’ny tetezamita no ho nankaty. Nohatsatsoin’ny vazaha eran’izao tontolo izao fa mampidi-doza ny fiaramanidin’ny gasy ka nalatsaka ao amin’ny lisitra B mba tsy hisidina ny lanitr’i Eoropa, amin’izay hanjakan’ireo kaompania vahiny ny zotra ivelany rehetra tena nampidi-bola tamin’ny Air Madagascar toa an’i Marseille  - Moroni (Comores). Nividianan’ny mpitondra tamin’ny tetezamita fiaramanidina frantsay roa Airbus A340-300, efa antitra indray ny Air Madagascar. Ao anatin’ny enin-taona no hanefana ny vidiny. Mandritra izay dia mbola laharana frantsay no nampisalorana ny iray ary mpanamory frantsay lafo karama no mitondra azy raha tsy izay tsy misidina any Frantsa. Ny faharoa kosa nampisahanana ny zotra mankany Chine. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny Air Madagascar anefa dia tsy mahavelon-tena ireo Airbus A340-300 roa ireo, fa ny kely mba miditra amin’ny kitapom-bolan’ny Air Madagascar indray aza no loarana hampandehanana azy raha tsy izay efa niesona teo.

Navotan’i Dada

Tapitra namidin’ny mpitantana tao amin’ny Air Madagascar indray ireo fiaramanidina ATR miisa telo mba fananany, fa hoe hividianana Boeing 737-800 iray. Nambara teo ampiandohana fa any Torkia no hividianana io Boeing io saingy nitsefotra ny tany, ka any amin’ny oriansa China Boeing any Chine indray no hanofa/hividy. Efa ho iray volana sy tapany nefa izao ny ekipazy nalefa haka azy io fa hatramin’izao tsy migadona eny Ivato ihany ilay Boeing 737-800. Nosarontsaromana tamin’ny fividianana ATR72-600 vaovao anankiroa ny tsy fahampian’ny fiaramanidina ampiasain’ny Air Madagascar. Malaza ratsy ho sady tsy mahatanty hafanana no tsy mahazaka entana indray anefa ireto fiaramanidina frantsay ireto. Vokany, ilay Boeing 737-300 “Force One I” nomen’i Marc Ravalomanana an’ny Air Madagascar, fony izy filohan’ny Repoblika, no miasa mafy manentsina ny banga, mba tsy dia hampimenomenona loatra ny mpandeha amin’ny fahatarana sy fanafoanana zotra matetika ataon’ny Air Madagascar. Soa aza fa nisy an’io “Force One I” io. Na izany aza dia fiaramanidina natao hitondra manampahefana na irony sokajy VIP irony izy io fa tsy nomanina hitondrana mpandeha sy vesatr’entana lava izo. Hany ka simba lava, matetika no manao tampody fohy eny am-panidinana noho ny tsy fahatomombanana ara-teknika toy ny nitranga tamin’ny sabotsy teo. Izao rahateo vao mitranga avokoa ny tsy fahatomombanana rehetra tamin’ny fikojakojana fiaramanidina nataon’ireo vazaha nantsoin’ny tao amin’ny Air Madagascar hisahana izany nandritra ny fitokonan’ny mpiasa tamin’ny volana lasa iny.

Ra-Bri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT