Fantatra izany izao, araka ny fanazavana nentin-dramatoa Rakotondrainibe Holitina, tale jeneraly lefitry ny kaompania Air Madagascar, tamin’ny haino aman-jery iraisam-pirenena iray fa ny volana janoary ho avy izao dia hiato aloha ny zotra iraisam-pirenena ataon’ity kaompania ity mankany Azia dia ny mankany Bangkok sy Guanghzou.
Namono antoka tanteraka mantsy io zotra io na dia maro dia maro aza ireo mpandraharaha sy mpivarotra mivezivezy eo amin’io zotra io noho ny fahalafosan’ny masonkarena amin’ny fampiasana ilay fiaramanidina Airbus A 340 izay nampidiran’ny mpitondra ny Tetezamita ny kaompaniam-pirenena tamin’ny kizo. Niaiky izany ankehitriny ny mpitantana ny Air Madagascar fa tena fahadisoana tanteraka ny nandraisan’ny Air Madagasikara an’io fiaramanidina io. Tsy mbola misy ny vaovao amin’ny fomba ofisialy fa araka ny resaka mandeha dia mety ny kaompania Air Austral avy atsy la Réunion no hanao io zotra io. Tsy ilay tsena no tsy ahitana tombony. Iaraha-mahita ny firoboroboan’ny tsena amin’ireo zotra ireo sa ny mpitantana ny Air Madagascar mihitsy ve no tena tsy mahomby e ?
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.