Actualités

Air Madagascar Mitohy ny fijalian’ny mpandeha


  • Alarobia 26 Desambra 2012

Tsy mbola tafavoaka ny ala fa vao mainka aza miaina anaty fahasahiranana tanteraka ny orinasa Air Madagascar ao anatin’izao fetin’ny Krismasy sy faran’ny taona izao.

 Ny herinandro lasa teo raha tsiahivina dia mpandeha 450 no raikitra efatra andro tao Port Louis La Réunion noho ny fahasimban’ny Boeing 737 sy ATR 42 tokony hitondra azy ireo any Antsiranana. Voatery nanofa fiaramanidin’ny kaompania vahiny ny Air Madagascar hitondrana ireo mpandeha ireo teto an-drenivohitra rehefa naneho ny hatezerany ka nanakana ny fidirana tao amin’ny seranam-piaramadinin’i Rolland Garos-La Réunion ireto farany. Noheverina ho tranga manokana ihany iny hay zava-misy efa iainan’ny mpandeha tao anatin’ny telo herinandro izao. Mikorontana ambony ambany avokoa ny sidin’ity kaompaniam-pirenena Malagasy ity, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpiasa.

Rehefa nohamarinina teny Ivato dia mpandeha tezitra, be ahiahy tsy milamin-tsaina ny ankamaroany. Na tara na foana mihitsy mantsy ny sidina. Ny zotra anatiny sy zotram-paritra mankany La Réunion, Dzaoudzi ary Moroni no tena tratran’io fahataram-pahatongavana sy fiaingana na koa fanafoanana io. Feno avokoa anefa ny fiaramanidina rehetra (surbooké) ka saika misy hatrany ny mpandeha mijanona amin’ny fotoana farany, indrindra ireo mianga avy any amin’ny faritany. Olana ara-teknika no fototr’ireo fikorontanana ireo. Fiaramanidina miisa dimy be izao mantsy no simba ka Boeing 737 ny roa, ATR ny 2 ary Twin Otter ny iray. Efa vita ny Boeing iray amin’izao ka io no manenjika mamita ny zotra anatiny sy zotram-paritra rehetra. Mazava ho azy fa tsy maharaka mihitsy ity fiaramadinidina iray ity. Lalana iray ihany no vitany ao anatin’ny 24 ora. Ohatra miainga maraina Antananarivo mankany Toliara, Fort Dauphin ary mety mitatra any La Réunion. Raha tafaverina eto Antananarivo izy ny alina dia misidina any amin’ny tapany avaratra mipaka Nosy Be ny ampitso. Marihina anefa fa be mpandeha koa ny mankany atsinanana mipaka any Sainte Marie. Raha tsorina dia sahirana tanteraka ny Air Madagascar amin’izao fotoana

. Ity kaompania ity izay nisafidy hanome vahana ny zotra mankany Eoropa sy Azia ka nampiato na koa nanajanona ny any Afrika. Tsy misy sidina Air Madagascar intsony efa am-bolana vitsivitsy izao mankany Johannesbourg sy Nairobi ka manjaka tokana ny Airlink (Afrika atsimo) sy ny Kenya Airways (Kenya). Marihina anefa fa sady akaiky no be mpandeha avokoa ireo tanàn-dehibe roa ireo. Raha i Nairobi manokana dia tena ifampitadiavana ny fahazoana toerana amin’ny Kenya Airways hatramin’ny nisokafan’ny asa any Koweit sy Arabie Saoudite satria be dia be ny Malagasy lasa miasa any. Tsy maintsy mandalo Nairobi anefa vao mihazo an’ireo firenena ireo. Sidina dimy isan-kerinandro no alahatry ny Kenya Airways mampitohy an’i Nairobi sy Antananarivo ary feno avokoa ireo. 815 dolara raha mora indrindra ny saran-dalana nefa mety mahatratra hatrany amin’ny 1200 dolara na dia ny sokajy ho an’ny daholobe raha tara vao manao famandrihana sy mividy tapakila. Efa mahatonga any Parisy anefa io saran-dalana io amin’izao vanim-potoana izao.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT