Actualités

Air Madagascar Misy Olana ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa


  • Alatsinainy 30 Novambra 2015

Mitaintaina toa soabakaka am-bodiriana ny mpiasan’ny Air Madagascar noho ny fahasahiranana tsy roa aman-tany mahazo ity kaompaniam-pitaterana ana habakabaka ity.

 

Efa tena miantraika any amin’ny aty vilanin’ny tsirairay mantsy io fahasahiranana io. Fantatra fa nisy ny mpiasa tsy nandray afa-tsy antsasa-karama tamin’ny volana septambra, ary efa mandeha be ny feo fa mety misy mihitsy no tsy handray karama volana novambra sy desambra. Ankoatra izay dia nambaran’ny mpiasa izay tafaresaka taminay fa ho avy eto Madagasikara ihany koa ny kaompaniam-pitaterana Saodianina Amirates, izay anisan’ny matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany. Kaompania Arabo faharoa ho avy eto amintsika aorian’ny Qatar Aiways ny Amirates. Miampy ny Air France dia efa vita hatreo ny momba ny Air Madagascar satria tsy afaka hifaninana amin’ireo kaompania vahiny goavana 3 ireo mihitsy ny kaompaniantsika efa mitsipozipozy io. Tsy nisy vokany mihitsy ve izany ny drafi-panarenana nambara fa natao tamin’ny Air Mad ? Sa efa drafitra famotehana tsotra izao no natao tao nanomboka tamin’ny fitondrana tetezamita ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT