Actualités

Air Madagascar Misangisangy fahafatesana ?


  • Talata 18 Aogositra 2015

Afabaraka indray ny Air Madagascar fa voatery notaterina tamin’ny fiara hiakatra eto Antananarivo omaly ireo mpandeha am-polony nihitsoka tany Toamasina izay tokony ho nandeha ho any La Réunion ny sabotsy lasa teo

 


 

. Antony, nijanona tampoka teo am-piaingana teny Ivato ny « réacteur » iray tamin’ilay fiaramanidina Boeing 737 raha iny izy hanainga teo Ivato iny ny sabotsy lasa teo. Nisy mpandeha nihitsoka ihany koa any Antsiranana, Sainte Marie ka voatery namoaka vola niantohana ny hotely nametrahana ireo olona ireo indray ny Air Madagascar izay efa tsy manam-bola firy intsony.

Hanofa fiaramanidina

Anio talata araka ny fantatra dia hisy fiaramanidina Boeing 777 nofain’ny Airmad avy amin’ny Air Austral hitatitra ireo mpandeha manodidina ny 200 tokony hihazo ny nosy La Réunion. Efa nanondrana ka niverin-dalana noho ny olana ara-teknika ihany koa ity fiaramanidin’ny Air Madagascar ity ny alakamisy 6 aogositra lasa teo raha tokony ho any La Réunion. Midika izany fa sady misy ny olana ara mekanika no tsy ampy ny fanaraha-maso. Mahagaga sy mahatalanjona ihany koa ny mbola namelan’ireo tompon’andraikitra ny fampiasana fiaramanidina efa hita fa manana olana. Iaraha-mahita isan-kerinandro anefa ny fiaramanidina midaraboka etsy sy eroa eto ambonin’ny tany izay hahafatesana olona an-jatony. Sa ve tena tia misangisangy fahafatesana mihitsy  ny Air Madagascar ka sanatria misy loza mahatsiravina hahafatesan’olona maro be vao handray fepetra? Nampiaka-peo ireo mpandeha ary nisy nilaza mihitsy aza fa hitory ity kaompaniam-pitaterana ity noho ny tandrevaka sy ny fanelingelenana nahazo azy ireo. Manaratsy endrika hatrany ny Air Madagascar izany rehetra izany ary toa milaza sahady fa raha zotra anatiny sy eto amin’ny ranomasimbe Indianina aza tsy voafehintsika, dia tena mbola ho ela vao tafavoaka ao anatin’ilay « Annexe B » ka afaka hisidina ny habakabak’i Eoropa ny fiaramanidin’ny Air Madagascar.

Ragasy : ary sao dia efa nivadika Air maty kosa aza eeee ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT