Actualités

Air Madagascar Mihodina ao anaty fatiantoka ?


  • Talata 26 Mey 2015

Tsy mahaloa ny karaman’ny mpiasa ao aminy intsony ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar na dia eo aza ireo vola niditra taminy tamin’ny alalan’ireny vidin’ny fiaramanidina namidy ireny.

 

 Noho izany olana ara-bola izany dia voatery ny fanjakana no niantsoroka ny fandoavana ny karaman’ny mpiasan’ny Air Madagascar ary ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro mihitsy no nanambara izany ny faran’ny herinandro teo. “Na dia tsy ankasitrahan’ireo mpamatsy vola aza ny fitsabahan’ny fanjakana amin’ny fitantanana ny orinasam-panjakana toy ny Air Madagascar dia tsy maintsy nandray andraikitra ny minisitera amin’ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa. Manana adidy sy vady aman-janaka ireo mpiasa ireo ka tsy maintsy omena karama”, hoy Atoa Andriatiana Ulrich, minisitry ny Fitaterana. Rehefa tsy mahaloa ny karaman’ny mpiasa ny intsony izany ny Air Madagascar, tsy midika ve izany fa mihodina ao anaty fantiantoka ny orinasa ? Ho an’ny mpitarika sendikalin’ny mpiasan’ny Air Madagascar dia tsotra ny anton’ny olana dia ny tsy fahaizan’ny fanjakana mitantana. Nandritra ny hetsika nataon’ireo mpiasa nitaky ny fialan’ny tale jeneralin’ny Air Madagascar sy ny Filohan’ny filankevi-pitantanana ary ny minisitry ny Fitaterana dia efa nomarihin’ireo mpiasan’ny Air Madagascar ny tsy fahaizan’ny mpitantana ny asany ka mety hitarika amin’ny fahapotehan’ny orinasa. Fitakiana politika anefa no nandikan’ingahy minisitra ny fitakiana nataon’ny mpiasa. Ny praiminisitra lehiben’ny governemanta nandritra ny fihaonany tamin’ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza dia efa nampanantena fa ho avy amin’ity faran’ny volana ity ilay fiaramanidina ATR 72 faharoa mba hampitomboana ny isan’ny mpizahatany tonga eto Madagasikara. Teo ihany koa ny fampanantenana ny hialan’ny kaompania Air Madagascar ao amin’ny lisitra B saingy mbola mijanona ho resaka sy fampanantenana ihany hatramin’izao.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT