Actualités

Air Madagascar - Madagasikara Airways Fifaninanana tsy ankitsitsy


  • Alatsinainy 07 Desambra 2015

“Ny ombalahy tsy in-droa am-bala”, hoy ny oha-pitenenana malagasy. Marina loatra izany raha ny zavatra tsikaritra eo amin’ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka amin’ny zotra anatiny eto Madagasikara.

 


Ny kaompania nasionaly Air Madagascar sy ny Madagasikara Airways no tena mitrandraka ny zotra anatiny amin’izao. Misy ihany ireo kaompania tsy miankina hafa, saingy asana taksi no tena ataony, rehefa misy manofa vao mihetsika. Tsy ankitsitsy ny fifaninanana ho an’iretsy roa voalohany. Manomboka mivoaka sempotra ihany anefa ny Madagasikara Airways, indrindra manoloana ny tsy mbola nanomezan’ny ACM (Aviation civile de Madagascar) azy ny CTA (Certificat de transport aérien) izay fanomezan-dalana fanome ny fiaramanidina hahafahany mitatitra olona. Hatramin’ny 28 oktobra 2015 nitrandrahan’ny Madagasikara Airways  ny zotra anatiny tamin’ny alalan’ny « Ankoay », ilay fiaramanidiny voalohany amin’ny karazany « Embraer 120 ER », mantsy dia CTA an’ny kaompania Assist Aviation no ampiasainy hiasany vonjimaika. Voafetra ho telo volana ihany anefa no ahafahany mampiasa izany. Tokony ho avy amin’ity herinandro ity ny fiaramanidiny faharoa, nefa raha ny siosion-dresaka dia mety ho sarotra izany noho ny tsy mbola nahazoany io CTA io. Tsy mbola mivaha io olana amin’ny CTA io dia re izao fa miseholany ihany koa ny bahambahana eny amin’ny seranana eny. Tany Toliara, raha ny heno, dia nifampibahana ny fiaramanidin’ny Air Madagascar sy ny Madagasikara Airways. Ny an’ity farany no tonga mialoha tao. Nanala mpandeha ho any Toliara avy eo nampakatra mpandeha hihazo an’Antananarivo. Tsy afaka niainga anefa ny Ankoay raha tsy lasa ny fiaramanidin’ny Air Madagascar, izay tonga tafara. Vokany, tara ny sidin’ny Madagasikara Airways niakatra taty an-drenivohitra.

Jean D.

Ragasy : Ka tsy ny toy izany ve no ilazan’ny Ntaolo hoe “in-droa mahita ny maizina toy ny tain’omby natsentsin-davabary” e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT