Hiroso amin’ny fanofana fiaramanidina roa vaovao dia ATR 72-500 sy ATR 72- 212 ny Air Madagasikara ary efa nanaiky ny hamoahan’ny minisiteran’ny vola ny antoka momba izany ny filankevitry ny governemanta notanterahana omaly teny Mahazoarivo.
Kaompania Irlandey dia ny Elix assets 13 Ltd manana ny foibeny any Dublin ary nitsangana tamin’ny 21 septambra 2016 no hanofana ireto fiaramanidina ATR roa ireto indray, raha araka ny fampitam-baovaon’ny filankevitry ny governemanta ihany.Tafiditra ao anatian’ilay vina hanatsarana ny fitaterana an’abakabaka eto Madagasikara moa izy ity no sady fanomezana aina vao hatrany ny Air Madagascar.Saingy na izany aza dia mampametra-panontaniana ihany hoe hahaleo ny sarany ve ny vidiny satria hatreto aloha dia mbola sahirana ny Air Madagascar noho ny tsy fahampian’ny vola miditra ao aminy, ny mbola fisian’ny resaka gaboraraka ary ny fibosesehan’ireo kaompania vahiny eto Madagasikara izay mazava ho azy fa maka ny ampahan’ny tsena, indrindra fa ireo mivoaka any ivelany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.