Izay vao tena fefika ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar. Hanao fitokonana faobe ny mpiasa manomboka ny alatsinainy ho avy izao. Leo ny fanamparam-pahefana sy ny gaboraraka ataon’ny mpitondra ny mpiasa ka mitaky ny fialan’Atoa Andriatiana Jacques Ulrich, minisitry ny fitaterana, ny filohan’ny filankevi-pitantanana Atoa Henry Rabary Njaka, ny Tale jeneralin’ny Air
Madagascar Raelison ary ny tale jeneralin’ny ACM Andrianalisoa James. Ny fomba nitantanan’ireo olona ireo ny orinasa no nahapotika azy toy izao.
Fatiantoka 150 miliara Ar
Mifangaro amin’ny resaka politika ny asa ka tsy voajery intsony ny tombontsoan’ny orinasa », hoy i Rado Rabarilala, mpitondra tenin’ny mpiasa. Ankehitriny dia efa mahatratra 150 miliara ariary ny fatiantoky ny Air Madagascar. Araka ny fanazavana voaray dia orinasa tokony handeha tsara ny Air Madagascar satria ny tsena dia misy raha tsy hiresaka afa tsy ny manodidina toa an’i Afrika atsimo, Kenya ary Maorisy. Fa ny familiviliana ny lalan’ny fiaramanidina tsy ho amin’ny tombontsoan’ny orinasa sy ny tsy fahalavorarian’ny tolotra no mahapotika ny orinasa, hoy hatrany ny tarainan’ny mpiasa. Omaly maraina dia efa nanomboka ny fitokonana ka mbola hitohy anio sy rahampitso ary ny alahady. Mandritra ireo telo andro ireo dia ny tapak’andro hariva sisa no hisy fiaramanidina hiasa ary ny alatsinainy kosa dia ho foana tanteraka. Fantatra ihany koa fa miara-mientana amin’ny mpiasan’ny Air Madagascar amin’izao fitokonana ataony izao ny orinasa Adema.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.