Actualités

Ahmad - filohan’ny CAF Olona faha 15 to teny indrindra aty Afrika


  • Alatsinainy 14 Mey 2018

Mahatsapa ny mpanara-baovao aty Afrika, indrindra fa ireo mpankafy ny fanatanjahantena sy ny taranja baolina kitra, araka ny vaovao navoakan’ny gazety boky Jeune Afrique fa manomboka hita mivaingana ny fanatsarana nentin’ny filohan’ny CAF Ahmad momba ity taranja iray be mpankafy indrindra eto ambonin’ny tany ity.

 

Voalaza mihitsy aza moa araka ny vaovao farany nivoaka ny faran’ny herinandro teo fa tafiditra ao anatin’ireo Afrikanina 15 to teny indrindra sy anisan’ny manana ny maha izy azy aty Afrika ity Malagasy voalohany nitantana ny kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra ity. Eny fa na dia ireo mpanefoefo Nizerianina Tony Elumelu, filoha mitantana ny Transnational Corporation of Nigeria sy ilay mpanakanto Ivoarianina Tiken Jah Fakoly aza dia mbola resiny raha ny filaharana momba ireo teratany Afrikanina 50 manana ny maha izy azy indrindra navoakan’ny média panafricain no jerena. Anisan’ny nampisongadina azy farany teo izao ny fiarovany mafy an’i Maroc mba hampiantrano ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny baolina kitra amin’ny taona 2026. Manomboka mahoraka manerana ny kontinanta Afrikanina aza moa ankehitriny fa manana eritreritra ho filohan’ny Repoblika indray andro any Atoa Ahmad.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT