Actualités

Ahiana ny tondra-drano goavana Hafainganina ny fanadiovana an’Andriantany


  • Alakamisy 14 Desambra 2017

Miomana fatratra sy misoroka ny mety ho loza mihoapampana amin’ny fotoam-pahavaratra ny eny amin’ny boriborintany faha-4 sy ny kaominina Antananarivo satria vao miandoha ny orana dia efa toerana maro no diboi-drano.

 

 Nitohy omaly maraina ny fanadiovana ny lakandranon’Andriantany kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) . Tonga teny an-toerana ny mpanolotsaina manokan’ny ben’ny tanàna ny filoha Marc Ravalomanana sy ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, kolonely Ramboasalama Emilien, ary ny Delegen’ny boriboritany fahefatra Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel. Nijery sy nanara-maso ny fizotry ny asa izy ireo. Nijery ny olana sedrain’ny mpivarotra sy ny mponina eny an-toerana vokatry ny fahatsentsenan’ny lakandrano tany anaty tanàna ihany koa. Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Madarail, satria ity farany no nanome alalana mba handehanan’ilay milina nentina nanatanterahana ny asa manamorona ny lalamby. Marihina fa mijanona ny asa rehefa mandalo ny fiarandalamby mampiasa ny lalany. Hita teny an-toerana ihany koa ny mpanao asa tanamaro na HIMO miisa 50, izay omena solontsakafo 4000Ar isan’olona isan’andro, nanadio sy nitatitra ny fako amin’ny sobika. Izay fako tsy takatry ny pelle no nesorin’izy ireo, ary ireo fako sy bozaka manodidina ny lalamby. Hitohy hatrany ny asa mandrapahavitan’ny lakandrano iray manontolo eto Antananarivo Renivohitra. Nanambara ny delegen’ny boriboritany fahefatra fa hiezaka hanafaingana ny asa satria efa ao anatin’ny vanim-potoana fahavaratra isika izao. Manentana ny mponina manamorona ny lakandranon’Andriantany izy mba hifanome tanana amin’ny asa fanadiovana hoentina hanafainganana ny asa hisoroana ny tundra-drano. Adidy iaraha-manana ny fahadiovana sy ny fisorohana ny loza, ary tokony hatao amin’ny faritra rehetra.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT