Hatramin’izay dia heverin’ny maro fa honohono ny fisian’ireo olona mangalatra sy mivarotra zaza tao Toamasina. Voaporofo ny fisiany izao araka ny vokatra azon’ny polisy misahana ny heloka bevava sy ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona ao Toamasina.
Raha ny fanazavan’ny kaomisera Raelison Gerverain nisahana ny raharaha, izay niantso mpanao gazety nilazany ny zava-misy, dia efa andro maromaro no nahazo vaovao tamina olona tsara sitrapo avy any Andilamena naharay someso mikasika ny fisiana fangalaran-jaza sy ny famarotana izany izy ireo. Vao vantany nanaiky niara-niasa tamin’izy ireo ity rangahy ity dia raikitra ny fikarohana sy ny fanadihadiana ny raharaha ary ny vela-pandrika samy hafa, ka nody ventiny ny ezaka natao. Ny sabotsy 3 martsa teo dia sarona tao Androranga sy Bazary be ireto enina mianadahy mifaningotra amin’ity raharaha someso manao ny halatra zaza sy mivarotra izany amin’ireo mpanjifany. Tsy nisy nandà ny zavatra nataony izy enina mianadahy izay vehivavy ny roa ireto, ary nilaza tamin’ny polisy misahana ny raharaha, izay misoratra tamin’ny sms nalefan’izy ireo tonga tamin’ny olona tsy tokony ho nandefasana azy fa manodidina ny 03 tapitrisa hatramin’ny 10 tapitrisa ariary ny hamarotan’izy ireo ny zaza iray arakaraka ny taonany sy ny maha lahy sy ny maha vavy azy. Nilaza ilay sms fa efa misy zaza 5 vonona ary azo ampiana izany izay afaka hangalaran’izy ireo hatramin’ny 20 mihitsy. Saika tao Toamasina avokoa no nikasan’izy ireo hanaovana izao hala-jaza sy famarotana azy ireo izao, saingy izao tratra izao izy enina mianadahy, mihevitra anefa ny polisy fa tsy izy ireto ihany no ao anatin’ny tamban-jotra saingy mbola mitohy ny fikarohana hamantarana ny tena marina amin’izao raharaha izao. Heloka be vava izao zava-misy izao na tsy nahatrarana zaza aza teo amin’izy enina mianadahy ireto nandritra ny fisamborana sy ny fisavana natao satria efa teo ny fikasana ratsy.
Taorian’ny fiakaran’ny raharaha teo anivon’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana omaly hariva, dia nafahan’ny fitsarana avokoa izy enina mianadahy voarohirohy tamin’izao raharaha izao, izay miteraka olana amin’ny fiarahamonina ny zava-misy ary ahiana hitarika savorovoro ao Toamasina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.