Nivondrona ny mpampianatra ao amin’ny LMA, Jules Ferry, Talatamaty ary ny avy eny Nanisana omaly nanao fanambarana niraisana.
Tamin’izany dia nilaza izy ireo fa tsy hampianatra raha tsy amin’ny alatsinainy ho avy izao raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo. Tsy miova, hoy izy ireo ny fitakiana fa ny fanomezana ny vola 65 000 Ariary tsy banga avy amin’ny filoham-pirenena. Nampiaka-peo izy ireo ary nilaza fa tsy firaharahiana ary tsy fanomezana ny toerana amin’ny tokony ho izy ny mpampianatra no zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Tsy miova ny toetsain’ny tompon’andraikitra, hoy hatrany izy ireo fa manao tsinontsinona hatrany ny mpampianatra. Rehefa tonga ny amin’ny alatsinainy izao ka tsy mivaha ny olana dia tsy hipetra-potsiny izahay hoy hatrany ny fanambaran’ireto mpampianatra ireto. Taorian’io fanambarana io moa dia nanao valin-kafatra avy hatrany ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika ary ny fanofanana arakasa ny omaly ihany . Handrasana ny ho tohin’ny raharaha.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.