Actualités

AGOA tapaka Lasa famitahan’ny Karŕna ny mpiasan’ny «zone»


  • Alarobia 09 Jona 2010

Tsy vitsy ny disadisa niseho teo anivon’ny vahiny tompon’ny orinasa afaka haba sy ny Gasy mpiasany, toy ny teny Andraharo izay efa nanomboka nirotaka mihitsy ny mpiasa rehefa nitsoahan’ny mpampiasa azy ireo ny volany.

Izao indray dia misy tranga hafa izay mbola miendrika famitahana lavitra noho itsy voalaza voalohany eny Andoharanofotsy. Sady voafitaka mantsy ny FAT no voafitaka ihany koa ireo mpiasa malagasy eo anivon’io «zone franche» io. Lazain’ilay Karàna fa tratry ny «chômage technique» ny orinasany ka nakatona, taorian’ny fahatapahan’ny tsenan’ny AGOA. Rehefa izany dia nanao fangatahana teo anivon’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola izy ny amin’ny hahafahany mamindra ny ampahan’ny fitaovana ampiasaina any ivelany mba hamitana ireo «commande» farany sisa tsy vita. Dia nanaiky anjambany koa ny manampahefana, tsy mba nanamarina akory. Ny andron’iny ihany aza dia azo io alalana io. Tsy ela dia efa nisy ny orinasa misahana “transit” iray any Toamasina izay nandray an-tanana ny fanondranana ireo entana any ivelany.

Andro vitsivitsy taorian’izay ihany koa dia niala teto Madagasikara ireo Karàna mpampiasa rehetra tao amin’ilay orinasa afaka haba.  Tao anatin’izay anefa dia nampanantenaina hatrany ny mpiasa fa hisokatra ny orinasa amin’ny faran’ny volana jona izao, raha ela indrindra. Ary mbola anisan’ny fampanantenana ihany koa ny fandoavana manontolo ny volan’ny mpiasa izay tsy mbola voaloa hatramin’izay. Rehefa nohamarinin’ny mpiasa dia toa hafahafa ihany ny zava-nitranga. Nahoana no tsy nisy fitaovana intsony tao am-piasana na iray aza kanefa ny fampanantenana dia ny hoe : hiverina hisokatra ny orinasa ? Ary nahoana ihany koa no indray lasa ireo mpampiasa karàna rehetra ? Manginy fotsiny ihany koa ny tsy mbola nandoavana ny volan’ny orinasa mpiara-miasa maro sy ny volan’ny fanjakana. Niharihary teto fa hitsoaka ny tena tanjon’ireto mpampiasa. Voaporofon’ny mpiasa tamin’ny antontan-taratasy izay hita rahateo izany ka nahatonga ireo hitory eny amin’ny fitsarana. Anio no hiakatra etsy Anosy ity raharaha ity.  

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT