Actualités

Agence Nationale Taratra Mba ho tena foibe fanapariaham-baovao


  • Alakamisy 30 Aogositra 2012

Nosokafana tamin’ny alalan’ny sary fampirantiana ireo tantara nanamarika ny fiainam-pirenena ny fankalazana ny faha-50 taona nitsanganan’ny foibe fanapariaham-baovao ANTA na Agence Nationale Taratra etsy Ambohidahy omaly.

 Sary manodidina ny 300 isa amin’ireo 40.000 isa ananan’ity ivontoerana iray no haranty mandritra izany ao anatin’ny folo andro tsy miato. Fantatra fa anisan’ny ivontoerana iray mitahiry ny vakoka momba ny sary eto amintsika ny ANTA. Mbola olana anefa, araka ny nambaran-dRakotoarijaona Elysé, tonian’ny fanoratana, ny tsy fametrahan’ny olona azy amin’izay toerany izay. Raha tokony ho lohalaharana amin’ny fahazoana ny vaovao sy ny fanapariahana izany mantsy ny ANTA dia izy indray no lasa ankilabao, araka ny nambaran’ity tompon’andraikitra ity ihany. Hanao ezaka goavana izy ireo manoloana izany dia ny fahatongavany amin’ilay anarana hoe : Agence Nationale d’Information na foibe fanapariaham-baovao, indrindra amin’izao faha-50 taona niorenany izao. Tsy hijanona eto Antananarivo ihany izany fa hiparitaka any amin’ny faritra mihitsy.

Tsara ny manamarika fa mandray olona isan’andro ny ANTA ho an’ireo liana hanao fitsidihana ao. 300 Ar ny mijery album iray raha 7.000 Ar miaraka amin’ny CD kosa no aloan’ireo manao komandina sary hatao gravage na scannage. 5.000 Ar isaky ny sary kosa ny sary ho an’ireo maniry ny hanao prisena sary numérique, araka ny fanadihadiana natao ihany. Saika miompana amin’ny fiainana ara-miaramila, ara-tsosialy, fanatanjahantena ary ny fambolena sy ireo fomba fomba maha Malagasy moa ireo karazana sary haranty ao amin’ity iovontoerana iray ity.

Pati

ENCADRE

Tamin’ny 1962 niforonany dia MADPRESS no anaran’ity foibe fanapariaham-baovao ity ary teo Behoririka misy ny Pavillon de Jade ankehitriny no nisy azy. Ny taona 1977 no nifindrany eo Ambohidahy ka nitondrany ny anarana ANTA.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT