Actualités

Afrikanina Tatsimo maty tany Toliara Efa nalain-drainy ny razana sy ny sambony


  • Alatsinainy 24 Septambra 2012

Nalain’ny rainy ny vatana mangatsiakan’i Dinoh Edouard, ilay teratany Afrikanina Tatsimo hita maty tany Sarodrano Toliara II ny talata 18 septambra teo rehefa voamarin’ny mpitsabo nanao ny fizahana ny razana fa maty an-dranomasina tokoa ny zanany.

 Hoentina aty Antananarivo ny razana ary hodorana avy eo. Ny alakamisy 20 septambra dia efa nalain’ny rainy tany Sarodrano ihany koa ny sambony ary efa miantsona ao amin’ny seranantsambon’i Toliara amin’izao. Voamarina tanteraka izao, araka ny valin’ny fizahana natao fa maty an-drano i Dinoh Edouard, tanora 30 taona vao erotrerony ity fa tsy novonoina tsy akory. Noho ny tranga sy zava-nisy matetitetika nihatra tamin’ireo teratany vahiny tany Toliara no nampiahiahy ny fianakaviany sy ny masoivohony, sao dia nitovy tamin’ireny famonoana teratany Frantsay ireny. Ny fanadihadian’ny zandary nandray an-tanana ny raharaha dia mbola nanamafy fa maty an-drano tokoa ity teratany Afrikanina ity, hoy ny Komandin’ny vondron-tobim-pileovana.

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT