Actualités

Afomanga teny Ampitatafika Nahavory olona an’arivony


  • Alarobia 28 Jona 2017

Toy ny kaominina hafa manodidina ny renivohitra rehetra dia niavaka sy nanana ny maha izy azy ihany koa ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona ho an’ny kaominina Ampitatafika.

Teny amin’ny tanimenabe no nanatanterahana ny lanonana rehetra mifandraika natrehin’ny talen’ny kabinetran’ny primatiora sy Ramatoa solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara eny Atsimondrano. Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanokafana ny lanonana niantsoana ireo antoko mpihira avy amin’ny fiangonana tsy an-kanavaka ao anatin’ny kaominina Ampitatafika. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fampisehoana niarahana tamin’i Francis Turbo sy ireo mpanakanto maro tsy nampoizina. Nofaranana tamin’ny fandefasana afo manga ny lanonana izay nahavory olona an’arivony teny Atsimondrano teny.  Nahazoan’ny kaominina alalana ara-dalàna avy amin’ny tompon’andraikitra moa raha tsiahivina ny fandefasana ity afomanga ity. Tamin’ny 7 ora sy sasany hariva no voatery nofaranana ny lanonana ho fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany, indrindra fa ireo nody tany amin’ny fokontany lavitra. Nitarika ny lanonana ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT