Actualités

AfoA Nampitovy tadin-dokanga hisitrahana ny APE


  • Alarobia 11 Martsa 2015

Anisan’ireo firenena efatra nisantatra ny fampiharana ny «Accord de Partenariat Economique Intérimaire» voasonia tamin’ny volana aogositra 2009 miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina i Madagasikara. Voafetra ihany moa ny voarakitr’io fifanaraham-piaraha-miombon’antoka ara-toekarena vonjimaika io dia ny fisokafan’ny tsena eoropeanina, ny jono ary ny fiaraha-miasa ekonomika sy ny lafiny fampandrosoana.

 Tanjona lavitr’ezaka ho an’ny fikambanan’ireo firenena atsinanana sy atsimon’i Afrika anefa ny hisitraka manontolo ireo tombontsoa goavana mivelatra amin’ny seha-pifanakalozana samihafa haroson’ny Vondrona eoropeanina ao anatin’io fifanaraham-piaraha-miombon’antoka ara-ekonomika io. Dingana ahatongavana amin’izany ny fihaonana ara-teknika nijerena marimaritra iraisana ho an’ireo firenena afrikanina mpikambana ao amin’ny AfoA teto Antananarivo ny 9 sy 10 martsa 2015 teo. Teboka maro toy mahakasika ny haba fanondranana, ireo votoatin’ny fifanakalozana ara-barotra na koa ny tetiandro no tsy maintsy niadian-kevitra sy nifandresen-dahatra mialoha ny handrafetana ny fifanarahana eo amin’ireo vondrona roa tonta. Miara-miaiky rahateo ireo mpandray anjara ny maha zava-dehibe ny fampivondronan-kery izay antoky ny fampandrosoana.

Nangonin-dRamano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT