Miantso vonjy ny mponina any Antetezandravina-Ambaritelo, Kaominina ambanivohitra Ambohimalaza, Distrikan’i Sambava manoloana ny tranga hafahafa miseho any an-toerana.
Misy afo tsy fanta-piaviana mandoro ny trano fonenan’ny mponina. Afo mahagaga no iantsoan’izy ireo azy, noho izy io miraraka tampoka toa pitik’afo avy any amin’ny habakabaka. Vao sambany rahateo no nisy tranga toy izao any an-toerana. Nanomboka ny tolakandron’ny alatsinainy 30 novambra 2015 no nisehoan’izy io, ka trano dimy no nirehitra tamin’izay. Nitohy ny talata 1 desambra sy omaly 2 desambra alina indray izany, ary dia mitombo isa hatrany ireo trano mirehitra. Tsy manan-tsafidy afa-tsy ny mamoaka ny entana hany sisa tavela tao an-trano ny mponina, misy aza no efa nandao ny tanàna. Miato amin’ny fianarana ny ankizy, misy ny mandraiky manavy, ao ny torana eo anatrehan’ity tranga hafahafa ity. Miantso vonjy ny mponina mba handefasana miaramila any an-toerana sao misy manararaotra mangalatra na manao asa ratsy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.