Anio no hiakatra eo anivon’ny tonia mpampanoa lalàna Toamasina ireo teratany Pakistanais telo lahy tratra tamin’ilay resaka vary lo sy efa simba.
Araka ireo porofo eo am-pelatanan’ny zandary tamin’ny fanadihadian’izy ireo noho ireo loharanom-baovaony, dia tsy vitan’ny nandika ny lalàn’ny varotra malagasy sy nandrovitra ilay taratasy fanagiazana ny vary fotsiny no mety hanenjehana azy telo lahy ireto fa misy soritsoritra fanadiovam-bola maloto iraisam-pirenena ihany koa. Mety misy ifandraisany amin’ny famatsiana ara-pitaovam-piadiana amin’ny adin’ny Daesh na ilay vondrona Silamo mpampihorohoro “Etat Islamique” koa ny raharaha. Manaporofo izany ny fanelanelanana ataon’ireo naman’izy ireo ary vonona ny handany vola be mihitsy. Eo koa ny fahazoan-dalana mipetraka eto amintsika hizahatany nefa izy ireo manao fandraharahana ara-bary. Nosokafana vonjimaika omaly antoandro ilay magazay ao Androranga nahatrarana ambodiomby ireo vary efa simba sy efa lo nokasaina hamidy tany Toamasina, izay natrehan’ny minisitry ny fitaterana Beboarimisa Ralava anisan’ny mpikamban’ny “Task Force” nasionaly, sy ireo ekipa ao Toamasina. Tamin’ny fanadihadiana natao dia fantatra fa vary nohafaran’ny orinasa “Moto Commodities” vao tsy ampy iray volana izy ireo, vary mitondra ny marika “Moto”, “Rizmate”, ary “Bora”. Nodorana avokoa ireo vary simba ary tsy mahazo alalana hisokatra intsony ilay orinasa nanafatra ka saika hanaparitaka izany vary simba izany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.