Teratany pakistanais 12 no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny « Surveillance du Territoire » Anosy ny talata 14 sy alarobia 15 novambra teo noho ny fipetrahana tsy ara-dalàna eto an-tanindrazana. Araka ny vaovao azo tato ho ato dia maro ireo vahiny mifamezivzy eto
an-drenivohitra toy ny eny Antaninarenina, Analakely, Behoririka ary manatona ireo olona mpitondra fiara ka mivarotra finday izay nampimenomenona sy nampitaraina ny olona satria zavatra tsy tena izy no namidin’izy ireo. Nandray andraikitra ny eo anivon’ny polisim-pirenena amin’ny alalan’ny fanaraha-maso ny toerana voalaza ary nidina ifotony nijery ireo olona ireo. Nandray ny fepetra mifandraika amin’izany ny polisy miasa ao amin’ny “surveillance du territoire”tamin’ny fisavana sy ny fanaraha-maso. Teratany pakistanais no tena betsaka ary “visa” fizahantany ny taratasy fahazoan-dalana teny aminy nefa tsy izany akory no ataon'izy ireo fa mivarotra finday. Vokany, olona 9 no voasambotra teny Antaninarenina ny 14 novambra 2017. Mbola nahitana finday vaovao sy efa niasa maromaro teny amin’izy ireo nandritra ny fisamborana ary mbola nisy telo hafa kosa nosamborina tany amin’ny hotely iray teto an-drenivohitra, omaly antoandro.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.