Actualités

Aferana “bois de rose” Naiditra am-ponja ny mpanolotsain’ny CR Analanjirofo


  • Alakamisy 22 Jolay 2010

Raharaha mbola mitana ny sain’ny besinimaro ity resaka «bois de rose» na andramena ity amin’izao fotoana izao. Ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana no tena ivezivezen’ireo mpanao trafika amin’izany. Efa maro ihany izay tratra izay, nefa tsy vitsy koa no mbola manao sy mikasa ny hanao.

Tao anatin’ny telo herinandro fotsiny izao dia fiara vaventy mitondra an-tsokosoko «bois de rose» miisa sivy no sarona. Omaly alarobia 21 jolay indray nisy ny raharaha «bois de rose» niakatra fampanoavana tao Toamasina. Mahakasika hazo tratra tao Analanjirofo tao an-tanànan’i Sahamorona, kaominina Fenoarivo Atsinanana izy ity. 14 lahy no voarohirohy raha nampidina bolabola nentina sambo kely mpanao zotra mianavaratra tao amin’io tanàna io. Ny 12 lahy tamin’izy ireo moa no tratra ka ity niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ity. Mpanolotsaina teknikan’ny faritra Analanjirofo ny iray amin’izy ireo. Taorian’ny fehin-tenin’ny fampanoavana ny talata 20 jolay hariva amin’ny fanenjehana azy 12 lahy sy ny fanadihadiana sy didy savaranonando navoakan’ny mpitsara mpanao famotorana voalohany ny antoandron’ny alarobia 21 jolay, dia miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy izy 12 lahy ireo, satria mbola hisy ny fanadihadiana lalina hatao sy ny fikarohana ny tena marina momba ity trafikana bolabola tao Fenoarivo Atsinanana ity. Ny Talen’ny tontolo iainana sy ny ala Toamasina no mpitory amin’ity afera ity, manampy azy ny fampanoavana amin’ny maha mpiaro ny fanjakana azy ireo.

Araka ny fantatra dia saika miala avy ao Sahamorona avokoa ireo «bois de rose» miditra an-tsokosoko tao Toamasina sy ny manodidina. Raha hiverenana ny tantara, tsy vao izao ity mpanolotsaina teknikan’ny faritra Analanjirofo ity, no sarona tamin’ny trafikana «bois de rose», izay iarahany amin’ny vadiny mihitsy. Efa tratran’ny «Task-Force» izy ireo ny 24 oktobra 2009, saingy tsara mpiaro angamba na mety nifampizarana koa ny vola. Tsy nisy mantsy ny fanenjehana taorian’ny fanadihadiana natao tao amin’ny kaompanian’ny zandarimaria tao Soanierana Ivongo, izay natrehan’ny lehiben’ny faritra Saina Michel sy ny komandin’ny zandarimariam-pirenena tao Soanierana Ivongo tamin’izay fotoana izay.
Somary nahatalonjana ny maro ihany ity zava-nisy any Toamasina ity satria raha tsiahivina dia vao andro vitsy lasa izay ity lehiben’ny faritra Analanjirofo ity no kazarany nanao revelation mihitsy mikasika ity raharaha ity. Tamin’izany no nilazany fa tokony avoakan’ny Fat ny anaran’ireo olona izay voarohirohy amin’ity resaka ity. Izao izany dia fantatra fa ny mpanolotsainy no lasa aloha any am-ponja. Na izany aza dia manomboka miseho masoandro ny nafenina rehetra mikasika ity raharaha bolabola ity raha izao no fandehany. Ny fitsarana koa araka ny nambaran’izy ireo tsy handefitra fa harem-pirenena ireo hazo anjakan’ny trafika ireo. Ho hita eo ihany ny tohiny.
 
Nangonin’i Jean D.
 
 
Fantatra fa efa mikasa ny hametraka fitoriana eo anivon’ny fitsarana iraisam-pirenena ireo mpanao politika sasany izay tsy mankasitraka ity fanondranana tsy misy arakaraka ity. Hanampy azy ireo mba hanomezan-danja ny fitoriana, raha araka ny loharanom-baovao marim-pototra, ny fikambanana maro izay misahana ny tontolo iainana. Ny anton’izany dia ny fahafantarana fa tsy hosamborin’ny FAT mihitsy ireo olona izay tafiditra amin’ity raharaha ity. Jeneraly ny iray, kolonely ny roa ary olon’ny FAT roa, ireo izay azo sokajiana ho tsy refesi-mandidy mihitsy, no mpiray tendro amin’ny fanondranana hazo sarobidy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT