Mitombo hatrany ny anaran’ireo olona voasaringotra amin’ity afera na andramena eto Madagasikara ity. Hatramin’izao anefa dia tsy hita manangasanga ilay tribonaly manokana nampanantenain’ny praiminisitra fa hatsangana hiadiana amin’ny afera na andramena sy ny harena hafa
Bolabola 2 450 isa
Minisitra vehivavy mpikambana ao amin’ny governemanta malagasy no tsikerain’ireo mpandray anjara amin’ny fivorian’ny cop 21 any Bourget any Frantsa ho mpanao afera na bolabolana andramena miisa 2 450 ao anatin’ny tambajotran-tserasera. Ny nahatafiditra ny fianakaviana akaiky ity minisitra ity ho tao anatin’ny delegasiona malagasy hiatrika ny fivorian’ny cop 21 no niatombohan’ny fitsikerana. Tsy mahay sy tsy mahazo teny frantsay akory mantsy ity fianakaviana minisitra ity ka tsy misy n’inon’inona ho azony akory amin’izay fivoriana atao. Teo no nahalasa eritreritra ireo teratany vahiny mahalala tsara ny zava-misy aty Madagasikara ka nahatonga ny eritreritr’izy ireo nitsiry hoe tonga any Parisy mba hitady mpividy andramena ve ity ranamana ity fa fomba nitondrana azy tany fotsiny no nampidirana azy tao anatin’ny delegasionan’ny cop 21 ?
Amin’izao fotoana mampandeha be ny resaka fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta izao dia sesilany ny fanakianana sy ny fitsikerana ireo minisitra am-perinasa. Raha nangingina volana maromaro izay ilay resaka fandraisana minisitra iray kolikoly tany andafy tany dia miverina ao anaty tambajotran-tserasera indray ilay horonantsary manalabaraka ilay minisitra malagasy. Ny tenany rahateo nandray fanapahan-kevitra tsy dia nankasitrahan’ny maro teo amin’ny sehatra iray hafa izay nahafantarana azy ka vao mainka koa nampirehitra ny fahatezeran’ny mpankahala azy. Dia ho hita eo indray ny ho tohin’ny raharaha satria efa misimisy ihany izay olona ambony voatonona anarana amin’ny resaka boaderôzy izay.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.