Actualités

Afera taolam-paty Nangataka fanadihadiana ny depioten’i Farafangana


  • Zoma 22 Mey 2015

Ankoatra ny ady amin’ny fanondranana harem-pirenena any ivelany dia anisan’ny nitana ny sain’ny maro ihany koa ny fanambaran’ny Solombavambahoakan’i Farafangana,

 

 Nivo Rufin  izay nilaza  fa manana porofo  mikasika  ny raharaha fanondranana taolam-paty  ihany koa ary nangataka ny fanokafana fanadihadiana tamin’ny  praiminisitra Jean  Ravelonarivo ny tenany. Nandritra ny  fijoroana  vavolombelona nataon’ity Solombavambahoaka ity dia nanonona manamboninahitra lefitra avy ao amin’ny  zandarimariam-pirenena ny tenany fa ny andraikitra  notazonin’ity   zandary ity amin’ilay  raharaha no tsy nazava tsara. Mimonomonona be mantsy  ny fanamafisam-peon’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena ka sarotra ny maminavina izay teny  tsy re tsara. Ho an’ny Solombavambahoakan’i Toamasina indray dia ny mikasika ny fanomezana ny taratasin-tany avy eny amin’ny sampan’ny  fananan-tany no nangatahany  fepetra amin’ny fanokafana  fanadihadiana parlemantera. Mampitaraina olona maro mantsy ny  resaka fangatahana tanim-panjakana na dia efa novelomi-maso aza fa saika ireo  mpanao  vadim-barotra hatrany no mahazo  mangataka fa ny olon-tsotra matetika miala maina.


Andry Ratovo   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT