Tetika nentina nanakorontanana ny niseho tany ny alatsinainy 19 jona lasa teo, hoy i Bertrand Martin, mpanolotsain’ny Ben’ny tanànan’i Soanierana Ivongo omaly
. Raha tsiahivina, nisy ny fifandonan’ny mpivavaka tao amina fiangonana zandriny iray sy ny vahoaka noho ny fanakorontanana fiarahamonina nataon’ny Fiangonana Kristianina Mitambatra (FKM), ka nahamay ny fiangonana sy naharatrana olona 14. Nisy ihany koa ny voasambotra ary nitohy hatreny amin’ny fitsarana ny raharaha, 18 omaly no niakatra fampanoavana. Foronina ny fanakorontanana hahafahan’ireo mikendry handroba ny tany satria misy vahiny te hitrandraka ny harena ankibon’ny tany sy haka ny tanin’ny olona any an-toerana ho amin’ny tombontsoa manokana, raha ny fanazavan’io tompon’andraikitra io. Tanintsika Malagasy io, ka isika no mila misitraka azy fa tsy ho amin’ny tombontsoan’olom-bitsy, hoy izy. Hampiadiana ihany koa ny samy manampahefana toy ny mpitondra eny ifotony sy ny senatera. Rehefa miady izy ireo dia afaka manararaotra mitrandraka tsimoramora ny harena ireo vahiny. Tsy iny adin’ny fokonolona sy ny mpino iny ihany no raharaha mafampana any an-toerana fa eo ihany koa ny fanoheran’ny mponina ny fitrandrahana harena amina faritra harovana any Manompana. Ny mahagaga anefa dia mangina sy tsy andrenesam-peo ny fitondram-panjakana. Ny fanjakana foibe mihitsy ve no tompon’antoka amin’ny firaisana tsikombakomba sy ny fanaovana tery vay manta ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.