Actualités

Afera «météorite» Misy zanaka ministra voatonontonona


  • Alakamisy 05 Aogositra 2010

Ho lasa lavitra ity raharaha vato “météorite” ity raha izao no zava-misy. Amin’izao fotoana izao mantsy dia tsy hita ilay vato ary olona manam-bola amin’ilay tompony indray no voatana eny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy.

Tany Ambositra no fiavian’ity vato ity. Telo kilao no lanjany ary miloko mainty tahaka ny tara irony izy. Misy loko be dia be ilay izy rehefa tarafina. Misy taratra “radioactif” koa ilay vato ka somary mangovitra ny tanana rehefa mandray azy.

Ny 4 janoary no nentina tany Toamasina ity vato ity hikarohana mpividy. Ramatoa iray mpanera tany sy trano no novantanin’ilay tompony ka nampikarohany mpividy. Koa satria ny tompony tsy nanam-bola nampiasaina entina mihetsika dia nisy olona nanaiky ny hanome vola hampiasaina ka ny fifanarahana tamin’izay dia 30%-n’ny vidin’ilay vato rehefa lafo no an’ireo olona ireo. Ny ambiny kosa dia an’ny tompony madiodio.
Taty aoriana anefa rehefa mahita mpividy ireo olona ireo dia tsy hita fa mampifilafila foana ilay tompon’ny vato. Tsy vitan’izay fa milaza izy fa any Ambositra ka mila saran-dalana. Mila vola ihany koa ny vady aman-janany vao afaka mandeha izy. Dia toy izany hatrany ny ataon’ilay tompon’ny vato. Mahita hevitra hangalana vola hatrany izy.
Leo ary ireo tompon’ny vola satria efa manodidina ny 40 tapitrisa ariary ny vola niasa kanefa ny vato tsy lafo satria ny tompony mamilafila. Vazaha iray izay no voalaza fa saika naka ilay izy saingy tsy hita popoka ilay tompony ka tezitra ilay vazaha dia nirava ny fifampivarotana. Rehefa leo ireo tompon’ny vola niasa dia nanatona ny polisy tao Toamasina hanontany izay tokony hatao.
 
Nametraka fitoriana izy ireo ary nahazo polisy roa handeha haka ilay vato tany amin’ilay tompony izay tao an-toerana mihitsy tamin’io fotoana io. Rehefa azo ilay vato dia nentina tany amin’ny kaomisera. Ity farany dia tsy nanaiky ny hitana ilay vato.
Taty aoraina dia nifankalala tamina zanaka ministra ankehitriny ilay tompon’ny vato ka nanomboka teo ny fifampitadiavana teo amin’ireo tompon’ny vola sy ilay tompon’ny vato. Naheno izany ireo olona ireo dia nanatona olona iray teto an-drenivohitra ka tany no napetraka ilay vato ary nanafatrafatra fa tsy mahazo mihetsika ao ilay vato raha tsy izy rehetra ireo no miaraka manao izany.
Amin’izao fotoana izao anefa, ilay vato tsy hita, ilay olona nametrahana azy tsy sahin’ny polisy samborina ka ireo olona sasany tompon’ny vola indray no voatana ao amin’ny polisy. Tsy vitan’izay fa lasa heloka bevava ilay izy kanefa fivadiham-pitokisana no tokony ho vesatra miandry ireo voarohirohy.
 
Araka ny fantatra dia ilay zanaka ministra no tena milatsaka an-tsehatra mihitsy manaraka akaiky ny raharaha. Milaza izy fa tsy maintsy hita ny vato. Misy hatramin’ny mpivady voatana eny, ilay ramatoa amin’izany bevohoka. Ny mahagaga amin’ity tranga ity dia tsy mety mandefa ny raharaha eny amin’ny Fitsarana ireo polisy. Arahin’ny maro maso akaiky ity raharaha ity.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT