Tamin’ny alatsinainy hariva teo no tonga nisava ny trano fonenan’i Mamy Ravatomanga teny Ambohibao Amboaroy sy ny foiben’ny orinasa SODIAT etsy amin’ny Pradon Antanimena ny solontenan’ny Fampanoavana eto Antananarivo,
Paris ary ny SAMIFIN (Sampan-draharaha misahana ny fandikan-dalàna ara-bola sy famotsiam-bola), raha ny vaovoa mivoaka. Anton’izany ny fisian’ny fanadihadiana momba ny fandikan-dalàna ara-bola sy ny famotsiam-bola nahasaringotra an’i Mamy Ravatomanga izay nividy trano lehibe maro tany Frantsa ary mampanofa izany nanomboka ny taona 2011. Tsy ny fananany ireo trano no olana fa ny fomba nahazoany sy nividianany izany, izay tsy nazava ary noheverin’ny fitondrana frantsay fa « harena azo tamin’ny tsy marina » . Efa tamin’ny taona 2015 no niatomboka ny fanadihadiana momba ity raharaha ity tany Frantsa, ary nisy ny fakana am-bavany ireo vavolombelona sy ny fananganana ireo porofo rehetra. Araka ny vaovao mivoaka, dia efa tratran’ny fitsarana Frantsay toa azy koa i Teodoro Nguema Obiang Mangue, ilay mpanefoefo sady filoha lefitra avy any Guinée équatoriale ary ireo teratany frantsay sy olo-malaza iraisam-pirenena hafa maro izay manao hosoka amin’ny fandoavany hetra. Raha ny vaovao farany azo omaly hariva kosa, dia fangatahana fanampim-baovao no natao tamin’i Mamy Ravatomanga fa tsy fisavana. Volaza ihany koa fa trano novidiany teo anatrehan’ ny « notaire » tany Frantsa ary nisy resaka findramam-bola tamin’ny banky na « prêt bancaire » no nisy. Misy hidirany amin’ny politika ny resaka, ka raha ny loharanom-baovao iray dia natao mba hanakonana ny raharaha Claudine Razaimamonjy, ity raharaha satria raha ny resaka mivoaka dia miditra amin’ny dingana faharoa ny fanadihadiana lalina ataon’ny Bianco momba ny raharaha mahakasika io mpanolontsain’ny filoha io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.