Actualités

Afera Mamod Taky Vavolombelona malagasy henoina amin’ny vidéo-conférence


  • Alarobia 27 Oktobra 2010

Mandroso ny teknolojia ary tonga hatramin’ny raharaham-pitsarana ny fampiasana izany. Omaly no tafatsangana ny mpikamban’ny fitsarana izay hanatontosa izany.

Fantatra ary fa vavolombelona maherin’ny 50 no henoin’ny fitsarana frantsay momba ity raharaha ity. Malagasy ny ankamaroan’ireo ary malagasy monina eto Madagasikara sy La Réunion. Vokatr’izany dia hampiasaina ny vidéo-conférence mandritry ny fitsarana. Io no hampita mivantana ny fijoroana ho vavolombelona ireo Gasy marobe ireo. Raha tsiahivina dia efa tamin’ny febroary 2009 no nanomboka ny fitsarana an’i Mamod Taky tao La Réunion, saingy najanona izany noho ny tsy fahatomombanan’ny paikam-pitsarana. Tamin’ny 11 jona 2009 no nanapa-kevitra ny fitsarana fandravana tao an-toerana ny hanaovana ny fitsarana any Paris. Amin’ny 17 novambra izao no hivoaka ny didim-pitsarana an’i Mamod Taky. Mitarozaka ity raharaham-pitsarana ity. Ny raharaha vono olona teny Fenoarivo anenjehana azy eo ihany, fa araka ny fantatra dia mahalala zavatra betsaka eto an-tanàna koa ranamana nefa nifanena tamina olona “tsy izy”, ka dia mety tsy ho afa-bela. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT